Tongasoa eto amin'ity takelakan'ny Fikambanan'ny Malagasy eto
Norvezy ity. Misy vaovao samihafa momba an'i Madagasikara isan-
karazany eto. Ao koa vaovao momba ny fikambanana, sns...
Fikambanan'ny Malagasy eto Norvezy (FiMaNor)
Fototra ijoroan'ny fikambanana FiMaNor
Ny fikambanana dia niorina tamin'ny 1985 (Tamin'izay MaMiNo ary niova anarana ho
FiMaNor t@ 2004.
Tsy manankery afatsy eto Norvezy ny fikambanana.
A. Fototra
Fihazonana ny fihavanana maha-malagasy.
Fihaonan'ny malagasy rehetra sy ny fianakaviany eto Norvezy.
Ny fikambanana dia mijoro mahaleotena tsy miankina amin'ny firehan-kevitra politika na antokom-pivavahana.
Ny fivoriana rehetra dia atao amin'ny teny malagasy.
B. Mpikambana
Izay malagasy rehetra sy ny fianakaviany monina eto Norvezy dia afaka miditra ho mpikambana.
Ny olona izay manana fepetra hafa ankoatran'io dia ny fivoriambe no manapaka azy ho anisan'ny mpikambana.
D. Zon'ny mpikambana
Mahazo mifidy ny mpikambana feno dimy ambin'ny folo taona (15) no miakatra.
Ny fivoriambe no afaka manova ny fanapahan-kevitra fototra.
E. Fitondrana ny fikambanana
Ny birao voafidy no mitondra ny fikambanana.
Ny fivoriambe no mifidy ny birao.
Ny fifidianana birao dia atao isaky ny roa (2) taona.
Ny mambra ao anatin'ny birao:
Mpitarika ny fikambanana iray (1)
Mpitarika lefitra iray (1)
Mpitahiry vola iray (1)
Mpitantsoratra iray (1)
Mpikambana tsotra iray (1)
Ny andraikitra raisin 'ny birao:
Mpitarika ny fikambanana no mitarika ny fivoriana sy mandrindra ny raharahan 'ny fikambanana.
Ny birao no manantanteraka ny raharaha izay tapaky ny fivoriambe.
Ny birao no mandray fanapahan-kevitra raha misy ilaina an ' izany maika.
Ny fotoana fanaovana ny fivoriana:
Misy ny fivoriambe izay atao indray mandeha isan-taona. Ny fotoana dia tapahan'ny fivoriambe.
Misy ihany koa ny atao hoe fihaonana ankoatry ny fivoriambe toy ny fisian 'ny fihetsiketsehana samihafa, toy ny fankalazana ny Noely, fihetsiketsehana ara-koltoraly, fanaovana fampisehoana, fampahafantarana ny fikambanana.
F. Ny volan 'ny fikambanana
Fidiram-bolan 'ny fikambana:
Azo avy amin 'ny latsakemboky ny mpikamnana.:
200,- kr. ho an 'ny tsy manambady
300,- kr. ho an 'ny manambady sy ny ankohonany
Havaozina isaky ny telo (3) taona ny latsakemboka
Ny mpikambana feno valo ambin 'ny folo taona (18) ny miakatra dia mandray anjara amin 'ny latsakemboka
Azo avy amin 'ny fanomezana
Azo avy amin 'ny samihafa
Fampiasana ny volan 'ny fikambanana:
Fahoriana: Fahafatesana (tena, vady zanaka, ray aman-dreny ary iraitampo)
Fanaovam-beloma: Mpikambana mody (izay heverina fa lasa tanteraka)
Fikarakarana sakafo amin 'ny fitoam-pivoriana
Fanantanterahana ny asa sy andraikitra amin 'ny fikambanana